- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Tobin-dry masera voatafika, vola an’hetsiny maro no lasa

Ambanidia : Tobin-dry masera voatafika, vola an’hetsiny maro no lasa

Voatafika indray ry masera ! Efa tsy mifaditrovana mihitsy amin’izao ireo olon-dratsy, ka tsy mifidy izay tafihana intsony. Omaly vao mangiran-dratsy dia nanavaon’ny andian-jioalahy latsaka alina ny tobin-dry masera teny amin’iny faritra Ambanidia iny. Tsy nisy naninona ireto relijiozy raha ny angom-baovao azo, saingy kosa vola valo hetsy ariary tao anaty poketran’ny iray tamin’izy ireo no lasa. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any no niseho ity trangam-panafihana ity. Enin-dahy izy ireo raha ny loharanom-baovao azo teny an-toerana ary samy mirongo sabatra sy zava-maranitra. Efa tafiditra tao an-tokotany ireto andian-jiolahy ireto vao taitra ny tompon-trano. Nikoropaka avokoa fa hoe misy inona? Kanjo efa ireo olon-dratsy tsy valahara no sendra azy ireo. Norahonany avy hatrany ny iray tamin’ireo masera ary noterena hamoaka ny vola rehetra misy tao amin’ilay toby. Nandà foana moa ireo voatafika fa hoe tsy misy vola tao. Teo anatrehan’izany, pôketra iray izay hitan’izy ireo nipetraka teo no avy hatrany dia nalainy. Raha ny vaovao hatrany dia vola manodidina ny valo hetsy ariary teo ho eo no tao anatiny. Nitsoaka avy hatrany toy ny fanaony moa ireo olon-dratsy raha vao nahazo izany. Lasa ireo vao afaka niantso vonjy ireto voatafika. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao, hikarohana ireto andian-jiolahy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici