Tifitra in-droa niantefa teny amin’ny kibony no fantatra fa nahafaty ity tovolahy iray teny Ambanidia, ny asabotsy teo. Araka ny loharanom-baovao dia saika hangalatra zavatra tanaty fiarana mpitandro filaminana ity tovolahy ity. Tsy nisy fampitandremana fa avy hatrany dia nitifitra ny pôlisy. Voa teo amin’ny kibony ranamana tamin’izay ary afa-nitsoaka. Tsy navelan’ireo mpitandro filaminana saika voaroba handeha lavitra anefa. Nipoaka indray ny basy ary ny bala faharoa niantefa teny amin’ity lehilahy ity no nitarika ny fahafatesany teo no ho eo. Tonga nijery ity tovolahy voalaza ho mpangalatra, teny amin’ny tranompatin’ny Hjra, omaly ireo fianakaviany ary nanambara fa tsy jiolahy mpangalatra velively izany io havany io. Araka ny voalazan’ireto farany mantsy dia avy namangy ny havany nipetraka teny Ambanidia io tovolahy io, ary monina eny Manarintsoa Isotry. Raha ny fitantaran’ireto havany ireto hatrany dia niandry taksibe handehanana hody tanaty fiantsonana izy no io maty voatifitra io. Toerana izay nisy ny fiaran’ireto mpitandro filaminana tamin’io fotoana io raha ny fantatra hatrany. Tena mpangalatra marina ve ? Tsy fantatra intsony fa raha ny vaovao azo hatrany aloha dia fantatra fa lasa faritra mena, anjakan’ny fangalarana anaty fiara iny faritra iny. Tsy vitsy ireo mpampiasa làlana amin’iny faritra iny no tratran’ity fanendahana ity. Eny fa na hatramin’ireo mpitandro filaminana aza, izay efa in-droa voan’izay, raha ny vaovao hatrany. Ireo fianakavin’ity namoy ny ainy ity moa dia mangataka ny hanaovana fanadihadiana matotra mikasika io tranga io.
m.L