- Publicité -
vendredi, septembre 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Voasambotra ireo efa-dahy misoloky amin’ny resaka « huile essentielle »

Ambanidia : Voasambotra ireo efa-dahy misoloky amin’ny resaka « huile essentielle »

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Lehilahy 4 izay 26 taona, 29 taona, 34 taona, ary 56 taona no voasambotry ny ny Sampandraharaha misahana ny fikarohana ny heloka ara-bola sy ara-toe-karena (polisy ekonomika) etsy Anosy noho ny resaka fisolokiana amin’ny varotra « huile essentielle de vanille», ny 10 Aogositra 2021 teo teny Ambanidia. Azo izao vokatra izao noho ny fitoriana napetrak’ireo niharan’izany fisolokiana izany teo anivon’ity sampan-draharaha ity ny volana jolay lasa teo. Vola an-tapitrisany maro toa raha araka ny fitarainana no efa azon’ireto jiolahy ireto. Ny fomba fiasan’izy ireo dia mody misy miseho ho tambanivohitra ny iray mitondra ilay menaka hosoka ka manatona olona izay ho fandrihany. Milaza fa tsy mahay miteny vazaha ity farany ary mitady olona afaka handika teny satria tsy mahay izy nefa misy vazaha tokony handray ilay entana. Rehefa mahazo ilay mpandika teny izy dia milaza ilay mody vazaha ao amin’ny finday fa tsy maintsy atao « test » ilay entana. Misy olona iray hafa tondroin’ilay vazaha hanaovana ilay « test ». Ary ity farany no manaporofo fa amin’ilay kalitao tena tsara ilay menaka. Manomboka eo dia milaza tsy manambola mihitsy ilay milaza ho tambanivohitra mitondra ilay menaka no sady tsy ampy ihany koa ilay menaka ilain’ilay Vazaha ka Mila manafatra izy. Mangataka vola amin’ilay olona ilay mpisoloky ka raha manome vola azy ilay olona dia sasahana izay tombom-barotra azo. Voafitaka araka izany izay sendra azy ireo fa misy an’ ilay vazaha hividy sy handray ny menaka. Rehefa Tonga indray ilay fotoana hionana amin’ilay Vazaha dia milaza izy fa mbola tsy Tonga any an-toerana ary accidenté amin’ny route nationale ka Mila manome vola an’ilay niharan-doza saingy euros avokoa ny aminy ka raha afaka mandefa vola ilay tompon’entana dia averiny avy roa heny rehefa Tonga izy. Taitra noho io fampanantenana vola be io ilay mpandika teny ka roboka amin’ny fanomezam-bola indray. Rehefa tafasaraka tamin’ireo mpisoloky moa ilay olona voasoloky vao Tonga saina ka nampandre ny Polisy Niroso tamin’ny fikarohana ny Sampan-draharaha misahana ny fikarohana ny heloka ara-bola sy ara-toe-karena mahakasika izany ary natao ny vela-pandrika kanahatrarana ireto olona efatra voalaza etsy ambony ireo. Ireto farany izay voalaza fa samy atidoha mikotrika izao asa-ratsy izao avokoa. Eo anatrehan’ity tranga ity dia manao antso avo ny polisim-pirenena satria mbola misy ireo naman’ireto jiolahy ireto mandendeha any ka manentana hatrany ny tsirairay mba hanome ireo angom-baovao ahafahana misambotra azy ireo.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici