- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanintsena : Zaza telo taona tsy misy tanana, hita faty tanaty ala

Ambanintsena : Zaza telo taona tsy misy tanana, hita faty tanaty ala

Nisehoana tranga nampihoron-koditra teny amin’ny faritra Ambanintsena iny omaly atoandro. Zazakely manodidina ny 3 taona eo ho eo no hita faty tanaty ala tao amin’ny toerana antsoina hoe Sahalemaka. Efa tsy nisy tanana intsony izy raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana, nidina teny an-toerana. Hatairana tokoa ny an’ireo nahita ny zava-nitranga, tokony ho tamin’ny 10 ora atoandro teo. Nampilaza avy hatrany ny tompon’andraikitra ireo fokonolona nahita ity zava-doza nitranga ity, izay nilatsaka avy hatrany teny an-toerana. Raha ny fizahana nataon’ireto farany dia ankevitry ny novoinoina tany ity zaza ity ary natsipy teo avy eo. Tsy nisy nahita na nahatsikaritra anefa ny fisian’izany olona izany. Ankevitry ny zaza avy nangalarina avy aty an-drenivohitra io zaza io, raha ny fanazavana azo hatrany. Ny mahalasa ny sainan’ny maro amin’ity tranga feno habibiana ity dia ny hoe natao inona ny tanan’ity zaza ity. Mbola tsy fantatra kosa anefa hatreto na nisy banga ny taovany na tsia. Efa eo am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana izao, hikarohana izay mety ho nahavanon-doza nahavita izao heloka bevava izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser