- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Bisikileta nifandona tamin’ny RN6, olona roa niara-maty

Ambanja : Bisikileta nifandona tamin’ny RN6, olona roa niara-maty

Trangam-piarahamonina tsy dia fahita firy ity tanterina ho antsika mpamaky ity ! Ny alakamisy 25 febroary 2016 teo, tamin’ny lalam-pirenena faha-6 iny, tao Antsakoamanondro, distrikan’ Ambanja, dia olona roa samy nitaingina bisikileta no indray niara-maty, taorian’ny fifandonana mafy tamin’ny bisikileta nentin’izy ireo. Araka ny vaovao voaray dia mpivarotra akoho amam-borona ny iray tamin’ny namoy ny ainy. Handeha hivarotra mihitsy izy tamin’io fotoana io no nitranga ny loza ka vaky hatramin’ny lohany noho ny fianjerana tampoka tamin’ny arabe. Nezahina nentina haingana namonjy hopitaly, nefa tsy tana intsony ny ainy.

Nahavariana ihany ity loza ity. Tsy vao izao koa anefa no nisy tranga mitovitovy aminy. Indray mandeha, volana vitsy lasa izay, samy moto no nifandona satria voalaza fa samy tsy mahay ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Tamin’ity indray mitarika ity, tsy nisy ny aina nafoy fa samy naratra kosa ireo nitondra ireo kodiaran-droa.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici