- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Dahalo dimy raindahiny nampidirina am-ponja

Ambanja : Dahalo dimy raindahiny nampidirina am-ponja

Noho ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny zandary ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Marotolàna, distrikan’Ambanja, dia dahalo dimy amin’ireo fito mpampihorohoro ny mponina indray no azo sambo-belona ka nampidirina am-ponja vonjimaika ny faran’ny herninandro lasa teo. Raha tsiahivina ny zava-niseho dia dahalo fito no nanafika mpandraharaha iray tany an-toerana. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny lelavola mitentina 30 tapitrisa ariary.         Tsy nijery fotsiny anefa ireo zandary nanoloana izany fa avy hatrany dia nandray ny andraikitr’izy ireo. Taorian’ny fanomezam-baovao avy amina olona iray tsara sitra-po dia niroso tamin’ny fikarohana ireto andian-jiolahy ny zandary sy ny fokonolona. Raikitra ny fifanoherana. Vokany: lavon’ny bala tamin’izany ny iray tamin’ireo dahalo, ny dimy kosa azo sambo-belona. Iray sisa tafatsoaka. Tafaverina tamin’ny tompony ihany koa ny vola 20 tapitrisa ariary. Eo anatrehan’izany asa tsy fandriam-pahalemana izany dia nitondra ny teniny nandritra ny famoriana mpanao gazety ny lehiben’ny tafika any an-toerana, ny “Lieutenant de coordination” ao amin’ny Borigadin’ny Zandarmaria ao Marotolàna, fa tsy maintsy mitohy ny fikarohana ireo dahalo mbola miafina sy mampihorohoro ny vahoaka. Etsy ankilany, manentana ny mponina ihany koa izy tsy hitahiry vola be an-trano sy ny hanomezana izay loharanom-baovao rehetra mety hanampy ny zandary amin’ny asa fampandriana fahalemana any amin’iny faritry ny Nosy iny.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici