- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Fanafihana tokantrano, maty novonoin’ireo jiolahy ny mpiambina

Ambanja : Fanafihana tokantrano, maty novonoin’ireo jiolahy ny mpiambina

Nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana niafara tamin’ny resaka vono olona tao an-tampon-tananan’Ambanja ny faramparan’ny volana teo. Andian-jiolahy no nanafika ity tokantrano ity ary novonoin’izy ireo ny mpiambina, raha ny vaovao azo. Nihetsika avy hatrany ireo pôlisy tany an-toerana nanao ny sahavao, taorian’ny fanafihana. Ary tsy ela fa ora vitsy taorian’io ihany dia nisy iray voasambotra tamin’ireo olon-dratsy. Nandritra ny fisafoana no nahatsikaritra lehilahy nampiahiahy sy hafahafa fihetsika, nivesatra entana maromaro izy ireo. Mailomailo avy hatrany ity farany raha vao nahita ireo mpanao fisafoana ary tsy ela ihany koa dia nibaradaka fa entana halatra ireo nentiny ireo. Entana avy tao amin’ilay trano novakian’izy ireo sy namonoana ilay mpiambina tamin’ny fomba feno habibiana. Nosamborina avy hatrany ilay io ary nentina natao famotorana. Nanondro ny namany niaraka taminy tamin’izany asa ratsy izany Ingahy. Ny faran’ny volana, teo no voasambotra tao an-tanana ihany ity namany ity, izay niaiky rahateo ihany koa fa nanao ilay asa ratsy, raha ny vaovao hatrany. Marihina, fa isan’ireo raindahiny sy tompon’antoka tamin’ireo fanafihana sy famakiana trano maromaro niseho tany an-toerana izy roa lahy ireto. Tamin’ny fisavàna ny tranon’izy ireo aza moa dia mbola nahitàna entana halatra hafa tsy tambo isaina sy lafo vidy avokoa tao aminy, ankoatra ny fitaovana fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny.

Tsy mijanona eo amin’izy roa lahy ireto ny famotorana, hoy hatrany ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena, fa mbola mitohy. Fantatra mantsy fa tsy miasa irery izy roa lahy fa misy mpiray tsikombakomba tanteraka amin’izy ireo. Anisan’izany ireo mpandray entana halatra sy izay mamatsy fitaovana azy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici