- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Jiolahy avy nanafika, voasambotry ny fokonolona

Ambanja : Jiolahy avy nanafika, voasambotry ny fokonolona

Iray tamin’ireo jiolahy nanafika voasambotry ny fokonolona

Telo andro taorian’ny fanafihana hany monja dia niverina sy nihaodihaody tao an-tanana indray ny iray tamin’ireo mpanafika. Ankevitry ny nihenoheno sao misy vaovao angamba, kanjo efa tsinjon’ny fokonolona ka nosamborin’izy ireo avy hatrany.

Raha ny zava-niseho, nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tanana iray tao Ambalahonko, distrika Ambanja ny alakamisy lasa teo. Raha ny tatitra voaray dia enin-dahiny nirongo fiadiana no nanafika tonga nanao amboletra tao amin’ny tokatrano iray tao an-toerana. Lasan’izy ireo tamin’izany, hoy ny vaovao ny vola mitentina eo amin’ny telo tapitrisa ariary teo ho eo niaraka tamin’ny firavaka volamena maromaro ary entana lafovidy isan-karazany. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra nandritra io fanafihana io, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Nampandre sy nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny kaomisaria tao an-toerana ireo lasibatra ary efa nandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Telo andro taty aoriana, ny sabotsy lasa teo dia voalazan’ny vaovao hatrany fa nisy olona, lehilahy nihaodihaody sy nampiahiahy niserana tao an-tanana, nisy ilay tokatrano voatafika. Hafahafa fihetsika ity farany, hoy ny vaovao, no sady vahiny ka tsy nisalasala avy hatrany ireo fokonolona nisambotra azy ary naterina tany amin’ny pôlisy. Rehefa naseho ireo lasibatra moa ity farany dia nanamafy tokoa izy ireo fa isan’ireo nanafika azy ireo ity tovolahy voasambotra ity. Notanana avy hatrany natao andrimaso moa ingahirainy. « Misokatra ny fikarohana ireo nahavanin-doza namany hafa sy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity » hoy ny hatrany ny vaovao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici