- Publicité -
vendredi, août 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbanja : Mpamily nahafaty olona 4 matin’ny fitsaram-bahoaka

Ambanja : Mpamily nahafaty olona 4 matin’ny fitsaram-bahoaka

Nisavorovoro ny tao Ambanja. Olona dimy be izao indray namoy ny ainy ny sabotsy antoandro teo. Ny efatra tamin’ireo dia nohon’ny lozam-piarakodia. Ny iray kosa niharan’ny fitsaram-bahoaka. Fiara 4X4 iray nirimorimo ka nifatratra tamin’ny trano fivarotana no nahatonga ny loza. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, mamo ny mpamily ilay fiara ka tsy nahafehy ny familiana. Vokany, Olana efatra izay vehivavy avokoa tao anatin’ilay trano fivarotana no maty tsy tra-drano, ka zaza vao enimbolana ny iray. Marihina fa mpianakavy ireo maty ireo. Rehefa nahita izany ity raim-pianakaviana iray  izay tsy iza fa ny vadiny, ny reniny, ary ny zanany roa ireo maty tao anatin’ny minitra vitsy monja ireo dia naka antsibe ary nikapa tsy nisy indrafo ny lohan’ilay mpamily ilay 4X4 nandritra ny olona mbola nisahotaka hamonjy oreo niharam-boina iny. Maty tsy tra-drano ihany koa  ilay mpamily. Manoloana izany dia nosamborina avy hatrany ilay rangahy nanao fitsaram-bahoaka. Andrasana ary ny mety ho tohin’ity raharaha ity. Maro anefa no tsy nanome tsiny ity rangahy ity noho izao fihetsiny izao. Ny tendrim-po tokoa tsy mba namana satria dia mafy tokoa ny nanjo azy. Nefa atao ahoana noa fa izay no lahatra ka mirary fiononana hoan’ny fianakavian’ny maty no any azo atao. Tsy eken’ny lalàna ny Fitsaram-bahoaka ka ankinina tanteraka amin’ny Fitsarana ny momba ity raharaha ity.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Tsy fitsaram-bahoaka raha fantatra olona tokana sady mora fantarina no namono. Valifaty na toy izany no tokony hiantsoana ilay tranga fa mandoto ny tanana iray ny filazana fa nisy fitsaram-bahoaka ny tao.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici