Nitrangana fanafihan-jiolahy nitam-basy tany Ambanja, afak’omaly naraimbe. Dimilahy nitondra kalacknikov sy P.A no nanafika mpandraharaha iray tompona tranombarotra lehibe ao Tsaramandroso. Rehefa tafiditra tao an-trano ny efatra tamin’ireo jiolahy dia nofatoran’izy ireo ny tongotra aman-tanan’ity mpandraharaha izay irery tao an-trano tamin’io, ary norahonan’ireo olon-dratsy ho faty ka nanome ny fanalahidin’ny “ coffre ”. Ny iray tamin’ireo jiolahy kosa niambina teo am-bavahady.
Raikitra ny fifampitifirana tamin’ny polisy. Raha vao henon’ ny tompon-trano ny fahatongavan’ireo jiolahy, dia niantso avy hatrany ny kaomiseran’ny polisy izy. Tsy vita akory ny resaka antso vonjy dia efa tafiditra tao an’efitranony ireo olon-dratsy. Tsy novonoin’ ilay voatafika anefa ny antso tamin’ny findainy, ka henon’ ity lehiben’ny mpitandro filaminana ity avokoa ny fandrahonana nataon’ireo jiolahy an’ilay mpandraharaha. Poa toy izay dia tonga ny polisy. Vao hitan’ilay jiolahy iray niambina teo amin’ny vavahady ireto farany, dia nihazakazaka niantso ny namany izy. Nanao tifi-danitra ny polisy nanajanonana an’ireo jiolahy nitsoaka niaraka tamin’ny rojo sy firavaka volamena avy norobainy, saingy namaly tamin’ny tifitra nirefodrefotra ireo olon-dratsy ka tafaporitsaka, ary mbola karohina hatramin’izao. Raha ny fantatra araka ny loharanom-baovao azo, dia vokatry ny delestazy misy isaky ny alina noho olana ara-tsoliky ny Jirama any an-toerana no nampirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy, ny vaky trano, ny fanafihana mitam-basy tato ho ato, ka tratran’ny fandrahonana ho faty amin’ny basy hatramin’ny Ampanjaka. Tsy vitsy amin’ireo mpiambina amin’ny alina ihany koa no miray tsikombakomba amin’ny jiolahy.
Eric Manitrisa