Mitombo hatrany ny isan’ireo olona maty noho ny herisetra diso tafahoatra ateraky ny tsy fahazakana alikaola. Omaly maraina, manodidina ny tamin’ny dimy ora tany ho any, lehilahy iray vao 24 taona monja no maty tsy tra-drano notsindronin’ny rahalahiny sabatra. Tao Ambalabe, fokontany Ambalihabe, Kaominina ambanivohitr’i Marotolana, distrikan’Ambanja no nisehoan’izany. Niaraka nisotro toaka ireto mpirahalahy ireto. Nony avy eo, niha-niakatra ny feo ary niafara tamin’ny fifanindronana sabatra. Vokany : maty tsy tra-drano ilay lehilahy 24 taona iray. Ilay nahavanon-doza kosa efa voasambotry ny zandary. Misokatra arak’izany ny fanadihadiana.
Niony H.