- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Nohidinany CEG noho ny ambalavelona

Ambanja : Nohidinany CEG noho ny ambalavelona

Mpianatra miisa 15 eo anivon’ny CEG Ambanja no nihetsika ambalavelona ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany maraina. Nandritry ny fialan-tsasatra (récréation) no nitrangan’izany. Nisahotaka ny iray sekoly ary nanao izay fomba rehetra hanaterana ireo mpianatra teny anivon’ny toeram-pitsaboana tao an-toerana ny mpitantana ny sekoly sy ny mpampianatra. Nanapa-kevitra ihany koa ny mpitantana ny nanajanona avy hatrany ny fampianarana mandram-pilamin’ny raharaha. Nivory avy hatrany ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra manoloana ity tranga nahazo ny mpianatry ny CEG Ambanja ity. Matetika no hanafarana mpiandry ny fisian’ny ambalavelona izay heverina araka ny fijery Kristiana fa asan-devoly. Tsy ity no sekoly voalohany nitrangan’ny toa izao ary nisy fotoana aza dia saika niharan’ny fitsaram-bahoaka mihitsy ny olona izay nivoaka tamin’ny vavan’ny ankizy ny anarany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici