- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmbanja : Novonoiny ho faty ny sakaizany rehefa avy any niara-natory

Ambanja : Novonoiny ho faty ny sakaizany rehefa avy any niara-natory

Hatreto, mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ity lehilahy 47 taona ny polisy. Izy izay voarohirohy ho namono nahafaty ny sakaizany, tamin’ny fomba feno habibiana. Marihana fa hitan’ny olona niara-natory izy ireo ny alin’iny, saingy ny maraina dia vatana mangatsiakan’ilay vehivavy no hitan’ireo mpifanolo-bodirindrina. Ny faran’ny herinandro teo no voasambotry ny pôlisy avy tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka tao Diana ity lehilahy ity, rehefa nanaovana taratasy filazana fikarohana. Fantatra fa niafina tany Ambanja ny tenany rehefa avy any nahavita ny heloka bevava nataony. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia ny alarobia teo no nisy nampandre ny pôlisy mahakasika ny fisiana fatin’olona hita tao tokatrano iray tao Soafeno, kaominina Antsiranana I. Vehivavy tokony ho 30 taona teo ho eo izy io. Talohan’ny nahitàna ny vatana mangatsiakany izao dia voalazan’ireo mpiara-monina fa niara-nipetraka tamin’ny lehilahy iray izy, ary vao avy niara-natory ny alina. Niantefa tany amin’ity farany avy hatrany ny ahiahy ary nahatonga ny pôlisy hikaroka azy tahak’izao. « Nentina avy hatrany tany amin’ny birao izy ary nohadihadiana. Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky izy fa namono nahafaty ilay sakaizany. Natolotra ny Fampanoavana tao Antsiranana ity mpamono olona ity ka naiditra vonjimaika any am-ponja ny talata teo » araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici