- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Olona 3 matin’ny rivodoza AVA, 91%-n’ny tanimbary potika

Ambanja : Olona 3 matin’ny rivodoza AVA, 91%-n’ny tanimbary potika

Vokatry ny rotsak’orana tsy an-kiato nentin’ny rivodoza Ava dia tsy mitsaha-miakatra ny haavon’ny reniranon’i Sambirano, ka mandrava tanàna maro. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any Matsaborilava sy Ampahakabe, ao amin’ny kaominina ambanivotra Ambohimena, Distrikan’ Ambanja, dia olona telo no maty, ary difotry ny rano ny trano rehetra. Namela takaitra ratsy tao amin’ny Kaominina Ankatafa ihany koa ny rotsak’orana nentin’ny Ava, ka trano fonenana miisa 1 431 dobo rano, olona miisa 5 284 traboina, ary 91%-n’ny tanimbary simba tanteraka. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza iny, dia niakatra avokoa ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro any amin’ny Faritra Diana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici