Antsakabary fanindroany indray ? Mpitandro ny filaminana efa-dahy avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena, niaraka tamina olon-tsotra iray no niharan’ny hatezeram-bahoaka tao amina tanàna iray antsoina hoe Antsifatra, any amin’iny distrikan’Ambanja iny. Vokany : ny iray tamin’izy ireo, ny Agent de police Fiana Leonard Jean Patrick, no namoy ny ainy taorian’ny daroka sy ny vono nahazo azy. Ny namany iray kosa, niaraka tamina olon-tsotra iray nitondra azy ireo tao amin’io tanàna io no naratra mafy ka voatery nentina namonjy hôpitaly haingana.
Ny sabotsy hariva teo no nisehoan’ity tranga mahatsiravina ity. Nirahina ho any amin’io toerana io ny pôlisy efa-dahy, rehefa nahazo loharanom-baovao mahakasika ny fisiana tambazotrana mpibizina rongony any an-toerana ny avy ao amin’ny kaomisarian’ny pôlisy ao Ambanja. Lehilahy sivily iray, izay mpisera-dia mahafantatra tsara ilay faritra no niaraka tamin’izy ireo tamin’io fotoana io, araka ny fampitam-baovao nomen’ny avy eo anivon’ny seraseran’ny pôlisim-pirenena. Nony tonga tany an-toerana anefa ireto iraka ireto, dia voalaza fa efa nandositra niaraka tamin’ireo « entana » ireo olona nahiahiana ho mpivarotra rongony. Nanao ny fanadihadiana ihany anefa ireto iraka ireto ka nihaona nivantana tamin’ny Sefo fokontany tao amin’ilay tanàna. Olona am-polony maro no efa niandry iretsy mpanao fanadihadiana ary avy hatrany dia namatratra ny hatezerany tamin’izy ireo. Nambaran’ireto andian’olona ireto moa, fa « mpamadika ilay mpisera-dia » ka avy hatrany dia nirohotra namono izy ireo. Voafandrika tao anatin’izay araka izany ity lehilahy sy ny pôlisy roa ka naratra mafy, ary nitarika hatramin’ny fahafatesan’ilay pôlisy iray mihitsy izany. Ireo namany roa lahy hafa kosa, afa-nitsoaka rehefa nahita ny faharatsian’ny toe-draharaha ary niantso vonjy. Nidina avy hatrany tany an-toerana niaraka tamin’ny mpitandro filaminana fanampiny moa ny tompon’andraikitry ny polisy any an-toerana niezaka nijery ifotony ny zava-nisy. « Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay tena zava-nitranga nahatonga ireto andian’olona ireto hamono ireo mpitandro filaminana. Efa misokatra ny fanadihadiana sy famotorana any an-toerana hahafahana manatsinkafona ny marina amin’ity raharaha ity » hoy hatrany ny fanazavana azo. Marihana, fa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo moa ireo naratra ary ny vatana mangatsiakan’ilay pôlisy namoy ny ainy kosa dia alefa, hampodiana any an-tanindrazany, any Mandritsara.
m.L