- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Raim-pianakaviana nisarahan’ny vadiny, maty namono tena

Ambanja : Raim-pianakaviana nisarahan’ny vadiny, maty namono tena

Lasa lamaodin’ny olona sasany tsy mahazaka onjam-piainana sy olana ara-pitiavana ankehitriny ity mamono tena ity. Tovolahy iray no hita maty an-drano, tao amin’ny Fokontany Mahalony, Kaominina ambanivohitra Ankatafa, Distrikan’ Ambanja, afak’omaly. Araka ny vaovao voaray, rehefa nisarahan’ny vadiny ity raim-pianakaviana tanora vao herotrerony ity, ny asabotsy teo, fa nanaraka lehilahy hafa ramatoa, dia namoy fo tanteraka izy satria tsy zakany ny nandaozam-badiny azy, ka namono tena nitsambikina avy teny ambony tetezana tao amin’ny reniranon’i Sambirano ity tovolahy ity, ary tany dia nilentika na dia nokarohana fatratra aza. Efatra andro taty aoriana vao hita ny razana; izay efa nanomboka simba tanteraka.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici