- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Rongony 3 taonina latsaka, sarona tao anatin’ny telo andro

Ambanja : Rongony 3 taonina latsaka, sarona tao anatin’ny telo andro

Vokatra goavana ho an’ny zandarimariam-pirenena sy ady atao amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, ary fatiantoka iray lavaka ho an’ireo mpibizina rongony. Rongony raviny, voany ary sahan-drongony amina hekitara maro, izay raha lanjaina dia mitotaly eo amin’ny telo taonina latsaka kely teo ho eo no saron’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenana Antsiranana izay notarihan’ny Kaomandiny, ny Jly Behivoka Fiederch. Ankoatr’ireo, dia mpamongady rongony, isan’ny fantan-daza any an-toerana no voasambotra. Ireo vokatra ireo dia azon’ireo zandary tao anatin’ny telo andro monja, tany amin’iny distrikan’Ambanja iny, nandritry ny hetsika nataon’izy ireo nampitondraina ny anarana hoe :«  Ady Jamala », izay natomboka ny sabotsy teo ary nofaranana ny alatsinainy. Natao izany hetsika izany, fa mba hifehezana ny fandriampahalemana any amin’iny tapany Avaratry ny Nosy iny. Araka ny fampitam-baovao azo, dia toerana maromaro tany amin’iny faritra iny no nanahatrarana ireto rongony an-taoniny ireto. Anisan’izany ny tao Antetezampaka Marotaolana, izay nahitana rongony lena milanja 650kg, voandrongony maina 31kg, izay voalaza fa sarona tao ampovoan’ny saha mirefy 25ha. Ny tao Antsahafaly Tanambao, dia nahitana rongony raviny iray taonina sy sasany, voan-drongony maina 46kg ary saha mirefy 35ha. Jamala maina 738kilao kosa, izay nafatratra tao anaty gony  44 no tra-tehak’ireo zandary tao amin’ny tokantrano iray tao Mahadera Marotaolana. Olona iray no tompon’ireo entana ireo, ary nosamborina avy hatrany. Ity farany izay fantatra, araka ny vaovao hatrany fa anisan’ireo rain-dahiny amin’ny mpamongady rongony any amin’iny faritra iny. Nentina natao andrimaso avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary moa ity farany, hanaovana famotorana. « Mitohy ny hetsika ary nanambara ny Jeneraly Behivoka fa tsy ho avela afa-maina izay mbola minia mamboly sy mivarotra ary manjifa jamala ao anatin’ny Faritany iadidiany, mba hiadiana amin’ny asan-jiolahy rehetra manerana ny Nosy » hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nogiazana ary tsy maintsy hopotehina eo imason’ireo manam-pahefana any an-toerana moa ireto zava-mahadomelina aman-taoniny maro ireto. Ireo rongony mbola naniry teny an-tsaha kosa, dia efa nopetehina teny ifotony ihany, raha ny vaovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici