Lehilahy roa nitondra rongony milanja 200 kg eo, no voasambotry ny mpitandro filaminana, tao Ambanja, ny talata teo. Araka ny fanazavana azo, dia nafatratra tamina valizy gony lehibe miisa fito ireo zava-mahadomelina. Fantatra fa avy any ambanivohitra ireto jamala tra-tehaka, saika amidy tao an-tampon-tanànan’ Ambanja sy Ambilobe. Omaly no natolotra ny Fampanaovana izy mirahalahy ireto. Noho ny firongatry ny fiparitahan’ny rongony any amin’ity distrika renivohitry ny voly « cacao » ity, dia nanatanteraka « opération » nandritra ny herinandro, nanomboka ny 13 hatramin’ny 20 jolay lasa teo ny polisim-pirenena any an-toerana, ka rongony milanja 1,5 taonina sy zatovo maditra miisa 54 no voasambotra tamin’izany, araka ny tati-baovao voaray. 14 (12 lahy, 2 vavy) tamin’ireo « Foroches » no natolotra ny fitsarana, ka dimy tamin’ireo mpibizina sy mpidoroka rongony no naiditra am-ponja vonjimaika, ny fiandohan’ity herinandro ity. Omaly moa no nodorana teo an-tokotanin’ny biraon’ny Polisy ireo rongony marobe sarona, ka nidonan-tsekotra ny tanàna.
Eric Manitrisa