- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Sahan-drongony mitotaly 60ha nopotehina

Ambanja : Sahan-drongony mitotaly 60ha nopotehina

Mitohy hatrany ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ataon’ny zandary any amin’iny tapany Avaratry ny Nosy iny. Sahan-drongony mirefy eo amin’ny 60 hektara mahery teo mantsy no sarona indray tao amin’ny toerana antsoina hoe Analabe, any amin’ny distrikan’Ambanja. Niroso avy hatrany tamin’ny famotehana ireo voly jamala ireo ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Fantatra fa nahatratra teo amin’ny 60 taonina teo ho eo hatreto no lanjan’ireo rongony tsy maintsy nodorana. Mazava ho azy fa noho ny haben’ny velaran-tany misy ireto zava-mahadomelina ireto dia naharitra andro maromaro ny hetsika famotehana  ary mbola hitohy foana mandrapaha-tapitra ireo voly rongony ao amin’io toerana io. « Hetsika natao nandritra ity volana oktobra 2019 ity mba hiadiana amin’ny voly Jamala izay anisan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy any amin’ny distrikan’i Ambanja sy Ambilobe Faritra Diana » hoy ny fampitam-baovao azo.

Fa ankoatr’izay, resaka ady amin’ny zava-mahadomelina hatrany dia fantatra fa vehivavy iray no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andilamena noho ny resaka famarotana rongony. Rongony telo gony  no tratra tao amin’ity ramatoa ity, izay milanja eo amin’ny dimam-polo kilao teo ho eo. Notanana avy hatrany moa ilay ramatoa ary nogiazana kosa ireo rongony marobe.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici