Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny rongony eto amintsika.
Nandritry ny hetsika « Ady Jamala » izay natao tany amin’ny distrikan’Ambanja sy Ambilobe iny mantsy dia fantatra fa tany fambolena rongony iray indray no sarona tao Andohan’Ifasy. Manodidina ny 20 hektara teo ny haben’ity tany ity izay nahitàna voly rongony miisa dimy alina sy iray hetsy fototra, izay tombanana ho any amin’ny roa taonina latsaka kely any ho any ny lanjany. Ankoatr’ity voly rongony sarona ity dia voalaza ihany koa fa nisy rongony maina efa vonona ny hamidy tra-tehaka tao amin’ny kizon’i Mevadoany-Mahadera, kaominina Marotaolana ary tao Ambohitradriana- Betaindambo, kaominina Marovato. Nahatratra teo amin’ny iray taonina sy telon-jato kilao teo ho eo no lanjan’ireto rongony maina sarona ireto. « Nodorana teo anatrehan’ny Lehiben’ny distrika sy ny Fitsaràna ary ny fokontany ireo loza mitatao rehefa vita ny taratasy momba izany ny andron’ny zoma lasa teo » hoy ny fampitam-baovao. Marihana fa ezaka nataon’ireo zandary tany amin’iny faritra Avaratry ny Nosy iny, nandritry ny folo andro, izao nahazoana vokatra tsara izao. Ary tsy mijanona hatreo akory fa mbola hitohy hatrany izany. Ankoatr’izay moa dia fantatra fa mbola misy « saha sy sompitra lehibe iray ho potehina aoriana kely ».
Na dia efa maro amin’ireo manampahaizana any am-pitandranomasina any tokoa aza ny milaza fa misy voka-tsoa azo avy amin’ny rongony dia saika mbola ny voka-dratsiny aloha dia betsaka, hita taratra eto amintsika. Ary io no isan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy sy asan-dahalo mampikaikaika ny mponina. Izay indrindra no nanosika ireo mpitandro filaminana hiady amin’ny fiparitahan’ity zava-mahadomelina mahery vaika ity. Efa nisy ireo sahan-drongony noravaina tany Atsimon’ny Nosy, ary efa aman-taonina maro ireo rongony maina tra-tehaka, dia izao mipaka any amin’ny tapany Avaratra indray ny « jinja rongony » ataon’izy ireo. Famotehana hatrany amin’ny fotony ity fanetriben’ny firenena ity.
m.L