- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Tsy voahaja ny zon’ny mpiasa ao amin’ny orinasa mpanondrana iray

Ambanja : Tsy voahaja ny zon’ny mpiasa ao amin’ny orinasa mpanondrana iray

Mampiaka-peo ireo mpiasa ao amin’ny orinasa iray mpanondrana vokatra any amin’iny faritra Ambanja iny. Araka ny filazan’ny solontenan’izy ireo, izay tonga taty an-drenivohitra, mantsy dia tsy voahaja mihitsy ny zon’ny mpiasa, indrindra fa ny mikasika ny fandoavana latsakemboka any amin’ny Cnaps. « Efa hatramin’ny taona 2007 no niaina izany izahay mpiasa. Noho izany, maro amin’ireo tokony handeha hisotro ronono no tsy afaka mandeha. Ireo tombontsoa hafa dia efa an-taonany maro izahay no tsy nandray izany», hoy ny antsoantson’izy ireo, tamin’ny alalan’ity solontenany tafaresaka taminay ity. Nanamarika moa ity olona ity fa raha tamin’ity taona 2015 ity dia ny telo volana voalohany ihany no voaloa, fa ireo rehetra tany aloha dia toa very anjavona avokoa.  Nanomboka ny taona 2010 teo no nivondrona tamin’ny alalan’ny sendika ireo mpiasa ary nitaky izany zony izany. Nisy ny fifanatonana sy fanairana ny mpampiasa tamin’izany, saingy manao bemarenina ity farany. Nisy ihany ny fanatonana sy fitarainana teo amin’ireo ambaratom-pahefana rehetra, saingy hatramin’izao dia mijanona ho tsy misy valiny izany. «Efa nametraka fitairanana eny amin’ny ministera izahay. Ary mangataka sy maniry mba hijerena manokana ity olana mianjady amin’ireo mpiasa amin’ity orinasa ity. Ny mampalahelo mantsy dia misy mihitsy ny mpiasa namoy ny ainy teo am-piasana, noho izay tsy fahafahana mandeha misotro ronono izay. Ny fari-piainan’izy ireo dia tsy lazaina intsony », hoy hatrany izy ireo.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici