- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Vehivavy iray, MD noho ny vono olona sy fisolokiana

Ambanja : Vehivavy iray, MD noho ny vono olona sy fisolokiana

Tsy misy tandrony marina ny ratsy. Ary na dia voalaza aza fa fanaka malemy ny vehivavy dia misy sasany amin’izy ireo no tena menarana mamono avy hatrany. Toy ity tranga tany amin’iny tapany Avaratry ny Nosy iny, ny herinandro teo. Vehivavy iray no nosamborina noho izy ity voarohirohy tamina resaka vono olona, nitranga tao Port Berger. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny pôlisim-pirenena, dia nisy ramatoa iray avy any Ambanja, niantrano tao aminy. Mpanangom-bokatra ny asan’io ramatoa io ka tonga tao Port Berger izy mba hividy vary. Heverina ho vola misimisy ihany tany aminy ka nitsiry ny hevi-dratsin’ity vehivavy nampiantrano, ny haka izany vola izany. Tsy misy afa-tsy ny famonoana ilay vahiny ihany anefa no vahaolana hitany ka dia notanterahany soa aman-tsara ny teti-dratsiny. Tamin’ny fomba feno habibiana tokoa no nanaovany izany. Nariany tsy lavitry ny kianja fanaovam-baolina tany an-toerana avy teo ny fatin’ilay vehivavy lasibatra. Ny alatsinain’ny pantekôty teo no nisy nahita ny razana. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana ary nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany. Fotoana fohy taty aoriana, namokatra ny fanadihadiana, satria dia fantatra fa nampiantranoana vehivavy iray teo an-tanàna izy. Niantefan’ny ahiahy avy hatrany ity farany. Nosamborina sy nofotorana. Tsy afa-niala tamin’ny porofo, lamba sy ny entan’ilay olona novonoina, hita tao an-tranony ihany koa ity olon-dratsy. Tamin’ny famotorana natao azy no nahafantarana, fa efa olon-dratsy ikoizana ity ramatoa ity. Efa tsy vitsy mantsy ireo olona lasibatra ary  vola mitentina 278 tapitrisa teo ho eo no efa azony. Natolotra ny fampanoavana ity farany ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici