- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbano Antsirabe : Katekista niharan’ny herisetra naratra mafy

Ambano Antsirabe : Katekista niharan’ny herisetra naratra mafy

Katekista iray ao amin’ny fiangonana Mahatsinjo fokontany Antanetibe, kaominina Ambano no naratra mafy vokatry ny daroka nahazo azy. Rah any fanazavana nomen’ny vadin’ity katekista ity dia olona mifandray tsara amin’izy ireo, mpifanerasera aminy matetika no nahavanon-doza namono azy ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsy misy antony na fanazavana fa avy hatrany dia daroka sy vono no nahazo ilay katekista vantany vao nidina tamin’ny bisikiletany izy. Tsy nisy fotoana niarovan-tena na nitsoahana akory raha ny fanazavana fa nifanesy hoy ny vadiny ny daka sy totohondro. Lavo tamin’ny tany ilay ketekista ary mbola voatotan’ny vato ihany koa. Tafatsoaka ihany anefa izy na dia naratra mafy aza, voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana I Rakatekista noho ny ratra mafy nahazo azy. Fantatra ankehitriny fa antsoina matetika any amin’ny mpitandro filaminana izy mivady raha toa ka tsy andrenesam-baovao kosa ilay namono. Efa nampafantarina ny mpiray fiangonana ny zava nitranga ary mbola mitohy ny fanadihadiana ny antony tena namonoan’ilay rangahy an’i katekista.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici