Mihorohoro ny mponina, ankoatra ny asan-jiolahy izay mihamahazo vahana ao amin’ny kaominina Ambano tato ho ato izay, dia voalaza fa misy jiolahy efa rain-dahiny tokony hanefa sazy any am-ponja no mampitaraina ny mponina fa mivezivezy ao an-tanana. Raha ny fanazavana voaray, jiolahy efa fanta-daza loatra sy mpamerin-keloka ity nambaran’ny mponina fa mpampihorohoro azy ireo ity. Ao amin’ny Tanana antsoina hoe Ambolotsaratelo kaominina ambanivohitra Ambano no nahitana ity gadra mirenireny ity. Raha ny fantatra hatrany, tokony hanefa sazy any am-ponja izy io tamin’ny asa fanafihana vitany miaraka amin’ny namany, volana vitsivitsy lasa izy. Nisy nanatitra tamin’ny moto teo an-tanana anefa io jiolahy io. Hatramin’ny nahatongavany teo amin’io Tanana io, dia voalaza fa tsy mitsahatra ny mampihorohoro ny mponina no ataony ka hitarainan’ireo fokonolona amin’ny tompon’andraikitra mahefa. Efa nisy rahateo hoy ny solontenan’ny fokonolona ny fitarainana nalefa amin’ny mpitandro filaminana ka miandry izay mety ho tohiny ny mponina.
Andry N.