Raha somary nangingina kely ny halatr’omby na ireny antsoin’ny olona hoe joko ireny, dia niverina indray izany ankehitriny ao amin’ny kaominina Ambano ao. Ombin-tsarety roa nifatotra teo amin’ny vala no indray nanjavona, ny alin’ny Alahady lasa teo. Toy ny efa fandre matetika, tsy misy mahare na inona na inona ny tompon’omby sy ny manodidina, fa ny maraina mifoha vao taitra tsy mahita ny omby ao am-bala intsony. Tsy ireny fangalarana omby maro be ireny no misy ao Ambano sy ny kaomininana manodidina, fa dia ity rainizavona ity. Namory ny fokonolona ny tompon’omby vao nahatsikaritra, fa very ny ombiny, natao ny fanarahan-dia ka nizotra nihazo ny kaominina Belazao ny dian’omby. Marihina, fa saika mandalo ao amin’ity kaominina ity avokoa rehefa omby misy mangalatra, satria misy làlana ivoahana mampitohy amina faritra maro i Belazao . Hatramin’ny nanoratana omaly, dia tsy mbola nahitam-bokatra ny fanarahan-dia.
Andry N.


