- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbarondrazaka : Vehivavy maty novonoina telo lahy

Ambarondrazaka : Vehivavy maty novonoina telo lahy

Omaly maraina be dia gaga ny mpandalo nahita ankizy vavikely roa niankohoka teo amin’ny fatina vehivavy iray eo amin’ny 30 taona eo. Tao anaty tanimbary teny amin’ny tanana antsoina hoe Antanifotsy, any Ambatondrazaka, no nisy an’izany zavatra mampalahelo izany. Nitangorona avy hatrany ny olona. Rehefa nanontaniana ireo ankizy roa, 10 taona sy 7 taona, dia nitantara ny zavatra niseho tamin’ny alina. Nilaza izy ireo fa nisy lehilahy telo nidaroka ny reniny. Vono izay niarafara tamin’ny fahafatesan’ilay ramatoa. Tsy fantatra mazava kosa anefa ny antony nanaovan’ireo olon-dratsy an’izany. Araka ny filazna’ireo ankizy hatrany dia teo ny rainy fa raha vao nahita ny fandehan-javatra dia lasa nandositra. Nampilazana avy hatrany ny mpitandro filaminana izay tonga teny amin’ilay toerana. Rehefa nojerena akaiky, tsy nisy ratra hita mivantana tamin’ilay vehivavy namoy ny ainy. Efa mandeha ny fanadihadiana ahitana izay tena marina mikasika ity vonoan’olona ity.

Mihorohoro ny any an-toerana amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny herinandro roa mantsy izay dia fatim-behivavy roa no hita tany Ambatondrazaka. Ny voalohany, ramatoa iray no hita faty teo amin’ny tsena. Mandeha ny fikarohana mba hahalalana ny marina mikasaika izany. Izao indray, sahiran-tsaina ny mponina ny amin’ity vehivavy nisy nidaroka ary maty ity.

Janus

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser