- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbasady eto Tana : Misy mitady hanafika, namafisina ny fiambenana

Ambasady eto Tana : Misy mitady hanafika, namafisina ny fiambenana

Nanomboka omaly dia nisy ny fepetra noraisin’ny mpitandro ny filaminana mahakasika ny fanamafisana ny fiarovana ny biraon’ireo masoivoho vahiny maro eto amintsika. Izany dia taorian’ny angom-baovao, fa misy mitady hanakorontana ireny toerana ireny. Na dia efa misy mpitandro ny filaminana mitam-basy sy mpiambina sivily aza ireo ambasady maro, dia nanapa-kevitra ny lehiben’ny fiarovana, ny mbola hanamafisana an’izany. Ho amin’ny anio indrindra no tena nanome baiko ny mpitandro ny filaminana isan-tsokajiny ny lehibeny mba ho mailomailo sy hanamafy ny fandriampahalemana. Mandeha koa mantsy ny feo omaly, fa mety hihetsika ny eny Ankatso manoloana ny famonjana ny namany, dia i Berija izany. Ankoatr’izay dia mifanandrify amin’ny lanonana fiarahabana tratry ny taona etsy Iavoloha izany rehetra izany, ka hita fa lojika ihany raha nisy ny fandraisana fepeta maika momba ny fanamafisana ny fiarovana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser