- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbasady frantsay : Nohamafisina ny fiambenana

Ambasady frantsay : Nohamafisina ny fiambenana

Nandefasana mpitandro ny filaminana nanampy amin’ny fiambenana ny ambasady frantsay nanomboka omaly. Ny avy ao amin’ny FIP, raha araka ny vaovao akaiky ny pôlisy, no nanampy an’isa ireo mpiambina. Ny anton’izany dia heverina fa noho ny vanim-potoana izay somary nihazakazaka ihany ho an’ny frantsay, manoloana ny asa fanakorontanana. Izany dia mahakasika indrindra ny famonoana ireo mpisehatra an-gazetin’ny Charlie Hebdo ary koa ny fandrahonana sahady ho an’ny frantsay izay efa mandeha tsikelikely any amin’ny firenen-kafa. Fepetra izay heverina fa ho an’ny masoivoho frantsay rehetra maneran-tany ihany ity fandraisana fanapahan-kevitra ny hanamafy ny toerana misy azy. Na izany aza anefa dia nisy ihany koa ny feo nandeha tamin’ny alakamisy teo fa misy mitady hanakorontana ny masoivoho sasany eto an-drenivohitra. Mbola tsy isan’ny firenena atahorana amin’ny asa fampihorohoroana i Madagasikara ary tsy mbola tonga amin’izany sehatra izany hatreto. Na izany aza anefa, noho ny halemen’ny fiarovana ny sisin-tany dia maro ihany ireo olona atahorana no tafiditra mora foana eto. Saingy bizna no anton-diany rehefa eto fa tsy hanapoaka baomba akory. Soa ihany !

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser