Ny 12 avril teo no nisy lehilahy iray nanome vaovao ny zandary fa misy dahalo mandehandeha eo an-tanan’ Antsahakitay . Mpiray dina tao an-tanana no nanome ity vaovao ka nanoro ny trano ieren’ireto malaso. Avy hatrany dia nidina teny an-toerana ny zandary ary nanao ny fisamborana; tratra ny dahalo iray fa ny iray kosa no azo sambo-belona.
Ny ampitso dia niainga vao maraina be ireto zandary niaraka tamin’ity dahalo iray tratra mba hitondra azy ireo ka hanoro ny toerana misy ireto namany.Teny an-dalana anefa dia nivadika tamin’ny teny nifanarahana ity rangahy ka iny nijanona iny indrindra no nanararaotra ny hitsoaka ity farany. Nanao tifi-danitra ireo zandary ary nampiasa ny fomba rehetra hijanonany, tsy niraharaha izany anefa ity dahalo fa dia nanohy ny fihazakazahany hatrany. Tsy maintsy niditra tamin’ny fitifirana ireto zandary ka maty vokatry ny tifitra nahazo azy ity malaso izay efa malaza ho raindahiny amin’ny fanafihana sy ny fangalarana omby. Raindahiny tokoa any amin’ny faritra Boeni iny ireto dahalo ireto ary tena mampihaiky ny olona any amin’ny fandrobana. Efa eo am-pelatanan’ny zandary any an-toerana moa ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
ALEM