Noho ny ezaka nataon’ny zandary sy ny fokonolona miaraka, dia nahomby ny fiaraha-miasa. Ny zoma 7 desambra tolakandro lasa teo, dia dahalo siivy lahy saika tanora avokoa, no nentin’ny zandary niditra sy namakivaky ny tanàna, ka horakoraka sy fahatezerana no nafitsoky ny vahoaka tamin’izany. Dahalo sivy lahy izay niravaka ody gasy.
Fantatra araka ny vaovao voaray avy tany an-toerana, fa ireo dahalo ireo dia anisan’ny mpampihorohoro ny eny ambanivohitra ary anisan’ireo dahalo mpangalatra omby sy efa ela nandrasana, ka zao tratra izao, noho ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny fokonolona. Tsapa, fa saika tanora avokoa ireo sivy lahy ireo, fa ny fanadihadiana ataon’ny zandary no ahafantarana ireo asa ratsy nataony sy ireo atidoha mikotrika. Manentana ny vahoaka ny zandary mba hisiana hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny fanomezam-baovao marim-potitra eny ifotony hiadiana amin’ny asan-jiolahy.
Anastase