- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbato-Boeny : Famonoana zaza telo mianadahy, lehilahy roa naiditra am-ponja vonjimaika

Ambato-Boeny : Famonoana zaza telo mianadahy, lehilahy roa naiditra am-ponja vonjimaika

Niakatra fitsarana ny asabotsy teo tany Mahajanga, ireo voarohirohy tamin’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny zaza  telo tany amin’ny Distrikan’ Ambato-Boeny, ka lehilahy roa voasaringotra voatondro fa nahavita an’ ity lozabe ity (ny volana novambra 2017 sy ny janoary teo) no nampidirina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Marofoto. Hatreto raha ny tati-baovao voaray, dia mbola tsy fantatry ny fianakavian’ireo zaza novonoina ireo ny antony marina namonoana ny zanany. Raha tsiahivina, ny 16 novambra lasa teo, dia zaza mianadahy no tsy hita (vavikely 11 taona ny iray, raha lahikely iray taona sy tapany kosa ny faharoa), ka nifampitadiavana nandritra ny alina tontolo. Ny ampitson’io, hita ny fatin’ilay zazavavikely izay tsy nisy lamba sy nifatotra tadikely ny tendany. Ny alatsinainy maraina kosa vao hita faty ilay zazalahikely efa tsy nisy loha sy tanana ary tongotra, izay notetehina toy ny hena. Ankizivavy 10 taona handeha hianatra katesizy tany am-piangonana ny volana janoary teo no lasibatra fahatelo, izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka notapahina ny tànany roa, ny ankiben-tongony, nosolaina ny lohany ka napetraka tsy lavitra teo ny volony rehetra ary nasesik’ireo olon-dratsy tao am-bavany ny tako-kenany, ka nihorohoro ny rehetra nahita ny razana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici