Noho ny firongatry ny asan-dahalo any amin’ny distrikan’i Ambato-Boeny, amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao, dia manao antso vonjy ny vahoaka any an-toerana, izay miaina ao anaty fitaintainan-dava andro aman’ alina, mba hijerena haingana ity tsy fandriampahalemana ity, hoy ny mponina. Raha ny vaovao voaray, fokontany telo any amin’ny kaominina ambanivohitra Anjiajia no nasesin’ny fito lahy nitam-basy notafihana indray alina, dia ny tao amin’ny fokontany Madiroabo, ka nitaky vola solon’ny fofon’ aina ireo dahalo. Tao an-tanànan’i Marosakoa, fokontany Mangatelo, dia nandroba izay omby tian’ izy ireo tamin’ny vala maromaro ireo mpanani-bohitra. Omby miisa telo kosa no lasa tao amin’ny fokontany Tsoherinakanga, ary tompon’omby iray voatifitra.
Eric Manitrisa