Anio no hentina eo anivon’ny fampanoavana ao Maevatanana, ireo mpikamban’ny fiangonana sekta jiosy iray ao Ambato-Boeny. Isan’izany ilay ramatoa mpitarika an’io finoana io. Fanolanana no anton’ny fitoriana izay napetraky ny ray aman-drenin’ireo zaza ka nanokafan’ny pôlisy tao an-toerana fanadihadiana. Mbola misy ny karohina mahakasika an’ity raharaha ity, tsy iza fa ireo mpikambana hafa an’ity fiangonana sekta ity hatrany izany. Ireo dia nitsoaka tao an-toerana avy hatrany rehefa nandre ny fisamborana ireo namany. Tsy vitan’ny voaolana, fa mbola voan’ny aretina mifindra avy amin’ny firaisana ara-nofo ihany koa ireo zazavavy. Hitodika any amin’ny fampanoavana ao Maevatanana anio ny mason’ny mpanara-baovao…
D.R


