Ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo no nitranga ilay fakàna an-keriny. Notafihan’ny jiolahy tao an-tranony, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ankijabe ny fianakaviana karàna iray. Avy hatrany dia nokapain’ireo tamin’ny famaky ny lohan’ilay rangahy antsoina hoe Zihad, raim-pianakaviana. Mitazona fivarotana lehibe ao an-toerana izy raha araka ny fanampim-baovao azo. Ilay ramatoa kosa, Housnah ny anarany (32 taona), rehefa voadaroka dia nentin’ireo jiolahy miisa roapolo avy hatrany. Nihosin-drà ilay rangahy ary efa niady amin’ny fahafatesana no nentina haingana any amin’ny hopitaly lehibe ao Ambato-Boeny. Raha ny heno aza dia voatery tsy maintsy nampiakarina any Mahajanga mba ho fanavotana ny ainy. Ilay ramatoa kosa dia nentina an-tongotra ary mizotra any amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohimarina. Omaly dia fantatra fa mitaky 100 tapitrisa ariary ireo dahalo izay nitazona basim-borona sy famaky tamin’ny fotoana nitrangan’ilay fakàna an-keriny. Laharana finday roa no niantsoan’ireo olon-dratsy ny fianakavian’i Zihad. Ireto andian-jiolahy ireto dia ahiana ho tambajotra izay tsy mbola voafehy mihitsy ao amin’iny faritra iny. Mampihorohoro ary manafika mitety tanàna mihitsy. Tonga hatrany Madirovalo izy ireo manao ny fanafihana mitam-piadiana ary manao rodobe hatrany amin’ny fanatontosana izany. Vao haingana koa no nisy dokotera notapahin’ireo olon-dratsy ny tanany nandritra ny fanafihana. Mahakasika ny kidnapping indray dia efa hatramin’ny dahalo no manatontosa azy ankehitriny raha noheverina fa ireo fetsy lahy teto an-drenivohitra no tena havanana tamin’izany. Mirarakopana sahady izany ny kidnapping ary nanamarika tanteraka ny volana janoary izany.
D.R