- Publicité SW45 -
lundi, juillet 1, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbato Boeny : Telolahy saika handroba, maty voatifitra ny iray

Ambato Boeny : Telolahy saika handroba, maty voatifitra ny iray

Olona 8 naratra mafy ary Zama iray maty voatifitra. Io no vokatry ny fifandonana nitranga tao Begisa, fokontany Beseva, ao Madirovalo, ny faran’ny herinandro teo. Nisy Zama telolahy tonga saika handroba ny fokontany rehefa nolazainy fa tsy nahaloa ny karaman’izy ireo. Nanohitra ny fokonolona ka 8 tamin’izy ireo no naratra voatsatoka antsy sy voavely kibay. Niditra an-tsehatra ny zandary ka maty ny iray tamin’izy telolahy, fa ny roa kosa lasa nandositra. Nalefa notsaboina any amin’ny CSB II ny 5 tamin’ireo naratra. Mitohy ny fikarohana ireo tafatsoaka.

A.R.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser