- Publicité -
samedi, septembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbato Boeny : Tovolahy mpanara-dia, maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo

Ambato Boeny : Tovolahy mpanara-dia, maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo

Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo any amin’ny distrikan’ Ambato Boeny, dia miraviravy tanana, very fanahy mbola velona ireo tantsaha eny ambanivohitra, satria ankoatra ny fananana very lasan’ny dahalo, mandatsaka aina ihany koa ireo mpanani-bohitra. Taorian’ny fanafihan-dahalo niseho tao Tsaramandroso, nahaverezana omby 12 isa izay lasan’ny malaso nirongo basy (nisy tamin’ny dahalo nampiasa Kalachnikov), afak’omaly, dia nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona teo an-tanàna. Tao anaty fifampitifirana, dia tovolahy iray tamin’ireo mpanara-dia no maty tsy tra-drano lavon’ny balan’ ireo mpangalatra omby, ary olona dimy hafa naratra mafy voatifitra, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici