Tokantrano sy trano fonenana azon’ny fianakaviana avy amin’ny orinasa Simpa teo aloha, no tadiaviana dokotera mpiasam-panjakana iray ho bodoina. Ny taona 1994 no nahazo taratasy fanamarinana ny maha azy ny trano ireo tompony, taorian’ny fahafatesan’ny raim-pianakavina iray, izay niasa teo anivon’ny orinasa, tao amin’ny fokontany Mangaroa, kaominina ambanivohitra Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny no misy azy. Nambaran’reo tompontrano, zanaky ny maty, izay velon-taraina amin’ny hafitsok’ity mpiasan’ny fahasalamana, izay midongy ao amin’ny tranon’izy ireo ankehitriny. Raha ny nambaran’ny Tompontrano, dia fiangaviana no natao tamin’izy ireo, izay nataona Sefo fokontany niaraka tamina Sojabe maromaro, ny mba hipetrahan’ilay dokotera io tao amin’ny tranon’izy ireo, mandritra ny dimy taona, ary natao an-taratasy io fiangaviana ny hipetraka ao amin’ny trano io. Fiantrana ny fokonolona manodidina izay tsy misy toeram-pitsaboana no antony nanaovan’ireto fianakaviana ireto, ny asa fanampiana. Noho io antony io anefa, lasa mibodo ao amin’ny fonenan’ireto fianakaviana ireto io mpiasan’ny fahasalamana io. Efa nisy fiangaviana nataony, ny amin’ny tokony hanampiana efitra hanaovana trano fiterahana, dia nanaiky ny tompon-trano. Ny zava-doza, nangataka indray ity dokotera ity, fa hoe aleo hatao hopitaly mihitsy ny tranon’izy ireo, izay nolavin’ny tompon-trano marindrano, satria efa fanesorana ankitsirano.
Misy fotodrafitrasa CSB vitan’ny Fitondram-panjakana ho an’ny fokontany maromaro manodidina ao Tanambao, ao anatin’ny kaominina Ankijabe ihany, vao tsy ela akory izay. Tsy mety mandeha mankany ity Mpitsabo ity, fa mbola midongy ao amin’ny tranon’ireo olona, izay niantra azy. Ny zava-misy amin’izao fotoana, lasa nivadika ho sekoly indray aza, ny ampahany amin’io toeram-pitsaboana vitan’ny Fitondram-panjakana, noho ity dokotera ity tsy nety nifindra any.
« Zon’ireto fianakaviana feno ny mipetraka amin’ny tranon’ny Simpa ary tsy izy ireo ihany no mipetraka amin’ny trano tahaka izany any an-toerana, fa olona maro. Tiana ny manamarika fa tsy misy manana olana ireo olona mipetraka amin’ny Simpa, ankoatra ireto fianakaviana nampiantrano mpitsabo, izay midongy ao amin’ny tranon’izy ireo tsy mety miala ankehitriny », hoy ny fanazavana. Manao antso avo ny Tomponandraiki-panjakana, isan-tokony, indrindra, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ireto fianakaviana ireto, mba hijery akaiky izao fibodoana ataona mpiasan’ny fahasalamana izao.
Yv Sam