- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbato-Boeny : Voan’ny MST ireo ankizy naolan’ny lehiben’ny sekta

Ambato-Boeny : Voan’ny MST ireo ankizy naolan’ny lehiben’ny sekta

Tratran’ny areti-mifindra avy amin’ny firaisana ara-nofo, na MST, ireo ankizy naolan’ny mpikamban’ny sekta jiosy, ary voatondro ho niray tsikombakomba tamin’izany ny ny lehibeny. Maherin’ny dimy ireo ankizy voan’izany ary manodidina ny 12 ka hatramin’ny 13 taona izy ireo, raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana. Natao fitiliana ireo ankizy ka teo no nahitàna fa misy areti-mifindra avokoa izy ireo. Hatreto dia ireo mpikamban’ny sekta no voarohirohy ho namindra an’izany, voaolana rahateo ireo ankizy. Ny pôlisy ao Ambato-Boeny no nanokatra ny fanadihadiana taorian’ny fitarainana napetraky ny ray aman-drenin’ireo zaza. Nosamborina ny mpikambana maromaro teo anivon’ilay sekta, ka isan’izany ny ramatoa iray mpitarika. Vaovao avy any an-toerana hatrany no nilaza fa nataon’ilay fiangonana zandriny ny fanolanana mba ho fanalàna ny herin’ny ratsy ao amin’ireo ankizy, toe-javatra izay tsy mitombina mihitsy na ara-tsiansa na amin’ny finoana inona na inona. Nisy ny mpikambana tao anatiny nitsoaka tao an-toerana rehefa nandre ny zava-nitranga. Mitohy araka izany ny fikarohana azy ireo. Amin’ny alatsinainy ho avy izao no hitondràna ireo voasambotra eo anivon’ny fampanoavana ao Maevatanàna.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser