Tao amin’ny toeram-pisotroana iray, no nitranga ity vono olona ity, tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Bemarivo, kaominina ambanivohitra iray ao Ambato-Boeny. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana ary nohamarinin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana rahateo, dia nisy fifandirana teo amin’ilay zandary sy ny lehilahy iray ; izay tsy nety nandoa volan’ilay toeram-pivarotana. Heverina fa tao anatin’izay no nisy ny fampitahorana tamin’ny basy, saingy niteraka voka-dratsiny izany dia ny nahatifirina tampoka ilay lehilahy izay maty tsy tsa-drano, rehefa voan’ny bala teo amin’ny lohany. Raha ny fanazavana ôfisialy eto, dia tsy nahy ny fampiasan-kery nataon’ilay mpitandro ny filaminana, saingy ao an-tanàna kosa dia ny mifanohitra amin’izay ny fitantaran’ny olona, izay azo an-telefaona. Ity tranga ity, dia nanampy isa indray ny herisetra nataon’ny mpitandro ny filaminana tato ho ato. Nisesisesy izany tato ho ato, indrindra tao anatin’ny roa herinandro, ary saika nitana ny sain’ny mpanara-baovao hatrany. Ny antony dia tsotra ihany, raha ny mpitandro ny filaminana no mivaona amin’ny adidy napetraky ny olom-pirenena aminy, iza intsony izany no handrasana amin’ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany?
D.R