- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatobe, asan-jiolahy : Olona roa nosamborin’ny mpitandro filaminana

Ambatobe, asan-jiolahy : Olona roa nosamborin’ny mpitandro filaminana

Ambatobe, tokony ho tamin’ny 9ora antoandro teo. Nirodorodo avy any ny mpitandro filaminana marobe, mirongo basy, ireny nofanina manokana hiady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika ireny. Hatairana tsy misy toa izany ny an’ny mponina nahita ity fihetsiketsehana be ity. Araka ny fanazavana azo, dia fisamborana no anton-dian’ireto pôlisy, niarahan’ny avy ao amin’ny SAG sy ny Bc ireto. Na dia teo aza anefa ity fihetsiketsehana teny an-toerana ity, izay fomba fanao fotsiny ihany, hitandrovana izay mety ho fibolisatry ny fisamborana, dia fantatra fa nandeha am-pilaminana izany. Olona roa araka izany no nalain’izy ireo teny amin’ity faritra ity, ary nisy ny fisavana ny tranon’izy ireo, notanterahan’ireo mpitandro filaminana ireo. Hatreto kosa dia mbola tsy fantatra mazava izay tena antom-pisian’ity fisamborana tsy dia nahery vaika ity. Resaka mandeha fotsiny no nahalalana fa, toa hoe resaka fangalàna an-keriny no maha voarohirohy an’ireo olona ireo. Ireto farany ihany koa, tetsy andanin’izay, dia tsy nanohitra velively fa nanaiky am-pilaminana ka nampizotra tsara ity hetsika ity. Na izany na tsy izany aza anefa, niteraka savorovoro teo amin’ireo mponina ihany ny fisian’io tranga io. Raha ny fantatra mantsy dia tsy nisy navela hivoaka ireo mpianatra teny an-toerana. Fepetra angamba noraisina manokana hiarovana azy ireo. Miandry ny tohin’ny raharaha araka izany ireo mpanara-baovao. Iza marina ireo olona nosamborina ireo ? Inona no antony nahatongavan’ny pôlisy misahana heloka bevava sy ny ady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika teny ? Marihina fa ity faritra ity tato ho ato izay, saika hahenoana tranga fangalàna an-keriny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser