- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatobe : Mpanendaka nandratra olona roa, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ambatobe : Mpanendaka nandratra olona roa, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Na dia teo aza ny daroka sy ny vono nahazo azy, dia toa tsy nihontsona akory ny tenany, hoy ny filazan’ireo mponina nahatratra ity mpanendaka iray, tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny, omaly maraina tetsy Ambatobe. Efa nandratra olona roa moa ity farany no izao voatana izao : ilay ramatoa saika hendahiny sy rangahy iray, izay voatsindron’ny zava-maranitra nampiasainy.

Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany teo ho eo. Raha avy nivoaka  tamin’ireny toerana kely fakàna vola amin’ny banky ireny (Gab) ity ramatoa ity no avy hatrany dia natonin’ity olon-dratsy, izay marihana, fa nijanona tsy lavitra teo niaraka tamin’ny môtô-ny. Nambanany tamin’ny zava-maranitra « trident » hoy ireo nahita avy hatrany moa ity farany, no sady niezaka nisintona ny poketra nampirimana an’ilay vola ranamana. Niezaka niaro hatramin’ny farany ny fananany ity ramatoa ary nanakana an’ilay olon-dratsy tsy hitaingina ilay kodiaran-droa. Tao anatin’izany no novelesin’ilay mpanendaka ilay ramatoa ka nipitika. Rangahy iray sendra nandalo no nahita ny zava-nisy ary tsy nisalasala nanohitra ilay olon-dratsy indray. Voalazan’ireo nanatri-maso moa, fa voan’ilay zava-maranitra ity rangahy ity, ary naratra mafy teo amin’ny tratrany. Izany zava-drehetra izany no nanaitra ireo teo amin’ny manodidina ka rafitra namonjy ireto olona roa efa lasibatr’ilay olon-dratsy avokoa. « Tovolahy nitondra môtô iray no nijanona ary nively ity olon-dratsy ity mafy dia mafy tamin’ny « casque » ka raha vantany vao lavo io no nifamonjen’ny olona notazonina ». Rafitra namono sy nanampatra ny fony teo tamin’ny daroka sy vono avokoa ireo nahatratra, saingy tsy nivoa-drà akory no tsy nihontsona mihitsy ity olon-dratsy ity, hoy ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Hany hery dia niantso polisy ary ireto farany no nitondra azy tany amin’ny birao mba hanaovana fanadihadiana. Nentina nogiazana kosa ilay môtô ary mbola nahitàna saron-tava tao anatiny. Ireo naratra kosa moa dia nentina faingana nihazo toeram-pitsaboana. Efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filamianana araka izany ny raharaha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici