Nandriakà indray ny rà tetsy Ambatobe. Raim-pianakaviana, 50 taona eo ho eo no maty tsy tra-drano rehefa voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray, ny môtô nentiny. Ny sabotsy hariva, tokony ho tamin’ny dimy ora latsaka folo teo no nitranga ny loza, raha ny fanazavana nomen’ny pôlisy, teo amin’iny lalana mihazo an’Ambatobe iny, raha avy eo Nanisàna, tsy lavitra ny sampanana « Voly ».
Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo pôlisim-pirenena hatrany, nitranga ny loza, raha nikasa ny hisongona ity fiara tsy mataho-dalana marika Toyota V8 ity ilay môtô, (moto routiere 150cc), izay samy hiakatra hihazo an’Ambatobe. Nanao taingin-droa ity môtô tamin’io fotoana io, ary mazava ho azy fa samy nandeha mafimafy avokoa. Somary be fiolanana mampidi-doza ihany anefa raha iny lalana iny ary tao anatin’ny iray tamin’ireo fiolanana io no voafaoka ilay môtô. Mafy ihany ny fifandonana, raha voalazan’ireo nanatri-maso fa somary nipitika mihitsy ilay lehilahy nitondra môtô ary niakarapoka tamin’ny arabe. Simba ihany koa ilay fitaovana. Nijininika ny rà, namonto ny arabe ary tsy nihetsika intsony ilay naratra, maty tsy tra-drano. Tsy naninona kosa ilay olona nentiny, ankizivavy 15 taona, izay voalazan’ny fanazavana hatrany fa zanak’ity namoy ny ainy. Na izany aza, nentina nihazo toeram-pitsaboana ihany, hijerena ny toe-pahasalamany. Taorian’ny loza moa dia tonga avy hatrany teny an-toerana ny pôlisy nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana.
m.L