Tovolahy iray 20 taona nisarahan’ny olon-tiany no maty namono tena nitelina fanafody, omaly naraina, tetsy Ambatobe. Gaga ny fianakaviany niray trano aminy, fa vatana mangatsiaka no novantanin’izy ireo. Raha ny angom-baovao dia nanana olana tamin’ny sipany izay mpiara-mianatra aminy ihany, ity tovolahy namono tena ity, noho ny famoizam-po. Resaka hasarotam-piaro no fototry ny adin’ireto mpifankatia raha niara-nijery fampisehoana ara-java-kanto iray lehibe tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahan-tena ny alahady hariva teo. Tamin’io fotoana io mantsy dia nisy hafatra (sms) mitory fitiavana nalefan’olona tamin’ny findain’ilay tovovavy. Rafitra ny fifamaliana ary nitohy tany ivelany ny ady.
Fanafody fonosana maromaro. Tezitra tsy nahafehy tena ilay tovolahy ka namono sy nikasi-tanana ny olon-tiany. Romotra tamin’ny fihetsiny ilay sipany, ka io alahady hariva io ihany dia rava ny tsena. Nanantena ity tovolahy fa hiravona ny olan’izy ireo ny alatsinainy tany am-pianarana, kanefa tsy nety niaraka taminy intsony ny olon-tiany. Latsa-panenenana sy nalahelo mafy izy ary nigogogogo nitomany tsy nety nampanginina rehefa tonga tany an-trano ny alina. Dia samy natory ny rehetra avy eo. Ny maraina vao samy taitra sy gaga nahita an’ity tovolahy tsy nisy aina intsony, ary mbola hita teny ambanin’ny loham-pandriany ny fonosana fanafody maromaro.
Eric Manitrisa