- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatobe : Tranona « magistrat » nisy nandroba

Ambatobe : Tranona « magistrat » nisy nandroba

Tranona mpitsara teny Ambatobe no nisy nandroba ny zoma lasa teo. Vola teo amin’ny valo hetsy ariary teo araka izany no lasan’ireo olon-dratsy. Araka ny fanazavana azo avy amin’ireo pôlisy nandray  ny raharaha dia tsy nisy n’iza n’iza ankoatry ny mpanampy tao amin’ity trano ity. Roalahy no mody nandondona teo amin’ny vavahady, ka rehefa novohain’ilay mpanampy izy ireo, avy hatrany dia nanao amboletra niditra. Tokony ho tamin’ny 9 ora maraina tany ho any no nitrangan’ity fandrobana ity, raha ny fantatra hatrany. Tao anatin’izany dia toa hoe niharan’ny herisetra ity mpanampy ity mba hanoro an’ireto olon-dratsy ny toerana misy ny vola. Ka tamin’izany no nahitan’ireo mpamaky trano, ireo vola mitentina valo hetsy ariary ireo, izay lasany niaraka tamin’ny entana sarobidy sasantsany. Efa nahavita ny asa ratsiny ireto jiolahy ireto vao afaka niantso vonjy ity mpanampy ity, raha ny fanazavana azo. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny pôlisy avy amin’ny boriborintany faha-8, niaraka tamin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava, izay nandray an-tanana ity raharaha ity. Ity tokoa ilay tonga amin’ny fitenana hoe, sasatry ny miaina ka eny am-baravaran’ny mpamosavy no manoko sikidy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser