- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatobe : Valo lahy nanafika « épicerie », lasa ny vola, voadaroka...

Ambatobe : Valo lahy nanafika « épicerie », lasa ny vola, voadaroka ny tompon-trano

Fivarotana enta-madinika roa no voatafika tao antatin’ny telo andro monja, teny amin’iny faritra Ambatobe iny, tamin’ny  herinandro . Tao ireo very vola ary nisy tamin’ireo tompon-trano no naratra voadaroka. Araka ny filazan’ireo mponina teny an-toerana dia saika tapitra tetezin’ireo olon-dratsy avokoa ireo mpivarotra enta-madinika amoron-dàlana rehetra. « Saika mitovitovy avokoa ny fomba fanaon’ireo olon-dratsy rehefa manafika izy ireo » hoy ny fitantaran’ny mponina iray teny an-toerana. Mahatratra eo amin’ny valo lahy eo ireo jiolahy, izay mirongo fitaom-piadiana sy zava-maranitra avokoa. Ny sasany amin’izy ireo ihany no miditra ao amin’ilay trano ataony lasibatra fa ireo namany hafa miambina sy mitily izay olona sahy mamonjy ireo niharam-boina. « Manao amboletra miditra amin’ilay fivarotana izy ireo ary manambana fitaovam-piadiana izay olona sendra matory ao. Mandrahona ary mitaky ny fasiam-bola ». Tamin’ilay iray farany notafihin’izy ireo izay, hoy hatrany ny fitantarana dia nodarohan’izy ireo tsy nananany antra ilay tovolahy mpiambina tao amin’ilay tsena. Angamba hoy hatrany ity raim-pianakaviana monina eny an-toerana ity, nikasa ny hanohitra ireo tsy valahara angamba io zalahy io ka izao niharan’ny vono izao. Naratra mafy moa io tovolahy io ary efa nentina nihazo toeram-pitsaboana. Ankoatr’izay dia voalaza fa vola an-tapitrisany maro no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany. Na tamin’ilay fivarotana voalohany na tamin’ilay faharoa. Noho ny tahotra sy ny hamehana moa dia mazàna somary tara ny fiantsoana vonjy amin’ireo mpitandro filaminana. Hany ka efa saika lasa sy nanjavona nafenin’ny alina foana ireo olon-dratsy vao tonga eny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Araka izany, mandry tsy lavo loha ireo mponina eny amin’ny faritra iny ary mitaintain-dava raha vao manomboka misasakalina monja eo, hoe tsenan’iza indray no hisy hanafika? Mirongatra tanteraka tokoa ity resaka tsy fandriampahalemana ity amin’izao ankatoky ny fety izao. Na izany aza moa, ireo tomponandraikitra ambony teo anivon’ny Emmonat, dia efa nanome toky fa handray fepetra henjana entina hiadiana amin’izany, saingy mba mila fandraisana andraikitra avy amin’ireo fokonolona ihany koa amin’ny fanomezam-baovao…

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici