Vao ny faran’ny herinandro lasa teo no nahafaty olona ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny fiakarana mankany Ambatobe raha avy eo Nanisàna, ny alatsinainy teo koa dia nisy iray hafa nitranga. Fiara tsy mataho-dàlana, Toyota Prado, izay nentin’ny lehilahy teratany vahiny iray no tsy tafajanona ara-potoana ary nifatratra tany amin’ny kodiaran-droa miisa roa samihafa. Naratra ireo mpandeha moto roa. Namofona toaka ny vazaha sady nibaradaka ary dia mazava hoazy fa noho ny hamamoana no nitarika ny lozam-pifamoivoizana izay soa fa mba tsy namoizana aina. Tonga teo ny mpitandro ny filaminana ary nanokatra fanadihadiana. Ny tsikaritra dia mitady ho lasa faritra mena amin’ny lozam-pifamoivoizana koa izany iny fiakaran’Ambatobe iny. Tsara ny làlana kanefa be fiolanana. Mandrisika ireo tsy mitandrina ka mandeha mafy izany, indrindra koa fiakaram-be. Dia misy ny mifanenjika sy tsy mahazaka songonana ary vao mainka mifanenjika ao anatin’ny làlana mivilivily ary lasa mitera-doza matetika izany. Mitovitovy amin’izany koa ny tranga eto an-drenivohitra izay saika misy lozam-pifamoivoizana isan’andro ary matetika mahafaty olona. Mihodina hatrany ny tranga eo amin’ny fifandrafian’ny mpitondra fiara sy moto ary minfandona eny an-dalambe. Hatreto mbola tsy misy vahaolana noraisina mihitsy, toa ny hoe haverina hodinihina ny lalànan’ny fifamoivoizana ohatra eny amin’ny sehatra mpanao lalàna sy mpifidy lalàna. Mbola ny tolo-dalàna momba ny toaka gasy aloha no nolaniana…
D.R