- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatoboeny : Ankizivavy hita faty, norasarasaina ny ratsam-batany ary naboraka ny tsinainy

Ambatoboeny : Ankizivavy hita faty, norasarasaina ny ratsam-batany ary naboraka ny tsinainy

Tranga mampihoron-koditra tokoa no niseho tany amin’iny tananan’Ambatoboeny iny omaly maraina. Ankizivavy kely iray no hita faty tsy lavitra ny fonja tany an-toerana. Efa feno habibiana tokoa ny nataon’ireo nahavanon-doza tamin’ity zaza ity, satria dia norasarasain’ireo tsy mataho-tody ny ratsam-batany. Tsy vitan’izay anefa fa mbola notrobarana ny kibony ary navela hiboraka teo ny tsinainy. Raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia efa somary nialon’andro maromaro ny razana hany ka efa nivoaka fofona sy nanomboka ho simba. Ankizivavy iray, izay monina ao amin’io toerana io ihany ity hita faty omaly maraina ity. Efa nanomboka ny alahady lasa teo izy no tsy niverina intsony tao an-tokatranony. Tamin’io fotoana io moa, araka ny vaovao azo hatrany, dia nandeha nivavaka no antony nivoahany ny trano, kanefa dia izao tranga mahatsiravina izao no tojo ireo fianakaviana. Raha ny vinavinan’ny maro dia mety ho tsy teo an-toerana no nanatanterahan’ireo tsy valahara ity vono olona feno habibiana ity fa mety tany amin’ny toeran-kafa. Nanomboka ny fotoana tsy nahitana an’ity ankizivavy kely ity mantsy dia efa natao savahao ny tanana rehetra. Olona sendra nandalo, omaly maraina teo amin’io faritra nahitàna ny vatany mangatsiaka io no nahatsikaritra kapa sy lamba. Kojakoja izay fantatra avy hatrany fa an’ilay zazavavy karohina teo an-tanana. Nampandrenesina avy hatrany ireo tompon’andraikitra ka rehefa natao ny fisavàna ilay kirihitr’ala dia io seho mampitsangam-bolo io no hitan’ny rehetra. Raha ny fahitàna ny razana, hoy hatrany ny fampitam-baovao, dia karazan’ny nampijalijaliana mihitsy ity zaza ity vao notaperina ny ainy. Nisy nendahina ihany koa mantsy ny volon-dohany, ary nesorina sy nanapenana ny vavany ny atin’akanjony. Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra na niharan’ny fanolanana izy na tsia. Nentina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty moa ny razana nanaovana fitiliana. Nosokafana avy hatrany kosa ny fanadihadiana teo anivon’ireo mpitandro filaminana, hikarohana izay mety ho nahavanon-doza. Tsiahivina, raha ny vaovao hatrany, fa efa nisy tranga toy izao ihany koa tany an-toerana, vao tsy ela akory izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici