- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatoboeny : Dokotera sandoka voasambotry ny pôlisy

Ambatoboeny : Dokotera sandoka voasambotry ny pôlisy

Sady milaza ny tenany ho dokotera ity tovolahy iray sarona tany Ambatoboeny ity  no mbola ao anatin’ny fikambanan’ny mpikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana ihany koa. Izany hoe sady mampiasa ireo fitaovan’ny mpitsabo siantifika, toy ny « tensiometre » sy ny « stethoscope », ranamana no manome « ordonnance » fanafody vita amin’ny zava-maniry sy manotra olona ! 

Raha ny fanazavana nentin’ny pôlisy nanao ny fanadihadiana ity fisolokiana goavana ity dia niainga tamin’ny fitarainana nataon’ny fianakavian’olona marary iray notsaboin’ity dokotera sandoka ity ny famotorana rehetra, nahafahana nanapaingotra azy. Eo anivon’ny fiarahamonina tokoa dia miseho azy ho tena « mpitsabo dobla kaskety » ingahirainy ary manana ny lazany tokoa. Amin’ny toeram-pitsaboany aza moa dia misy ny anarany sy ny sariny, mijejo tanteraka amin’ny blouse fotsy sy ny «stethoscope » eo amin’ny tenda. Ny dokambarotra sy ny peta-drindrina manoro ny momba azy sy ireo aretina rehetra voasitrany amin’io mirentirenty aok’izany. Mbola miampy ny anaran’ilay fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara, arahin’ny sary famantarana izany moa , dia aoka fotsiny fa mino sy roboka tanteraka ny rehetra tao amin’ity tanàna iray tao Ambatoboeny ity. Inona  anefa no ambadik’izany fa dia fanabadoana ireo mponina tany an-toerana miampy fanambakana ireo marary. Ny vola alain’ity dokotera sandoka ity amin’izy ireo midangana dia midangana, nefa ny fahasitranana toa tsy misy ary efa maromaro ihany ireo olona tratrany tamin’izany. Izay toe-javatra izay no nanosika azy ireo hametraka fitoriana teny anivon’ny pôlisy tao an-toerana. Niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso ity farany ireto mpitandro filaminana. Ary niafara avy hatrany tamin’ny fisamborana azy ny voalohandohan’ny volana teo. Nandritry ny famotorana azy no niaikeny tanteraka ireo fiampangana azy, hoy ny fanazavana azo avy ami’ny pôlisy.  

Marihana tokoa fa henjehin’ny lalàna velona eto amintsika ny fampiharana tsy nahazoana alalàna ny seha-pitsaboana na amin’ny lafin’ny inona io na amin’ny lafin’ny inona. Ny an’ity tovolahy 24 taona ity moa mbola miampy fisandohana andraikitra sy fisolokiana, ny vesatra hanenjehana azy. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana tao an-drenivohitr’i Boina tao ny raharaha. 

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici