- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilEconomieAmbatoboeny : Fanafihan-dahalo, olona iray maty, omby sivy lasa

Ambatoboeny : Fanafihan-dahalo, olona iray maty, omby sivy lasa

Tokantrano iray no lasibatry ny andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana, omaly vao mangiran-dratsy, tao amin’ny tanàna iray ao Betaimborona, kaominina Ankijabe, distrikan’Ambatoboeny. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny omby sy fitaovana vitsivitsy. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ireo fokonolona saingy nitifitra ireo dahalo ka olona iray no voan’ny bala. Maty tsy tra-drano.

Tokony ho tamin’ny iray ora ora maraina tany ho any no tonga nanafika tao amin’ity tokantrano ity ireto andian’olona ireto, ary nandeha nitsoaka raha vao nahavita ny asa ratsiny. Tamin’io fotoana io ihany dia efa nampandrenesina ny zandary. Minitra vitsy monja taorian’ny fanafihana dia efa teo am-panarahan-dia ireto malaso ireo zandary, nampian’ny fokonolona. Tsy lasa lavitra araka izany dia efa nifanehatra ny roa tonta, ireo olon-dratsy teo am-pandroahana ny omby sy ireto mpanenjika, teo avaratry ny fokontany Mangatelo. Velona ny fifampitifirana. Vao nahita ireo mpanara-dia mantsy ireo dahalo, dia nampiasa ny fitaovam-piadiany teny amin’izy ireo. Tao anatin’izany fifanjevoana izany no nisy olona iray, anisan’ireo mpanara-dia voan’ny balan’ireo dahalo, ary maty tsy tra-drano. Mbola nitohy kosa tetsy andanin’izay ny fifandonana. Ary nony hitan’ireo olon-dratsy fa tsy resy tosika ireto mpanara-dia nampianan’ireo mpitandro filaminana dia nanao tari-dositra izy ireo, namela ireo omby teo. Azo avokoa moa ireo omby sivy nalain’ireo mpanafika ireto. Mbola mitohy hatramin’ny omaly kosa ny fanenjehana sy ny fanaovana hazalambo ireo jiolahy tafatsoaka ireto, araka ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici