Lehilahy iray ary vehivavy anankiroa no natolotra ny Fampanoavana tao an-drenivohitr’i Boeny afakomaly. Izy ireo izay, voarohirohy tamin’ny resaka fakàna an-keriny zaza tao Ambatoboeny ny faramparan’ny volana oktobra lasa teo. Araka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana dia nadoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Marofoto, Mahajanga izy mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy.
Raha tsiahivina dia ny voasambotry ny zandary izy ireo rehefa voatondro ho tompon’antoka tamin’ny raharaha fakàna an-keriny zazavavikely kely tao Ambatoboeny. Tsy vitan’ny fakàna an-keriny anefa fa mbola nampiharan’izy ireo herisetra ihany koa ilay zaza: nisy ny daroka ary notapahana ny tanany. Raha ny vaovao dia ny andron’ny 27 oktobra lasa teo no nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Taorian’io dia nanomboka nitaky vola tamin’ireo ray aman-drenin’ilay zaza izy ireo. Mazava ho azy, nandray andraikitra avy hatrany ny zandary taorian’izay ary nisy ny fametrahana paikady natao entina nikarohana ilay zaza sy ireo mpaka an-keriny azy. Nivaly ny fanadihadiana ary io niafara tamin’ny fisamborana an’ireto olona miisa telo ireto. Voalaza fa hita tao anatin’ny findain’ny iray tamin’izy ireo ny hafatra nifanaovan’ireo olon-dratsy tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza sy nitakiana ilay vola. Ilay zaza kosa moa dia efa avotra soa aman-tsara talohan’izay ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.
m.L





